Description
Paroles de Ianao – Fara Andriamamonjy – Tononkira
Ianao no tiako hitoetra ato anatiko
Ianao Tompo ô no tiako hanapaka ny foko
Aza avela hisy ireo mibahan-toerana ao
Foiko manontolo anao ny foko, anjakao
Ref : Tsy ny fiadananao ihany re no ilaiko
Tsy fitahiana koa, tsy izany no andrandraiko
Fa Ianao mihitsy : Ray, Zanaka, Fanahy
Ianao manontolo Tompo ô,
Ianao no tiako ho ahy.
Ny faniriana sy hetaheta, lalina ao am-po :
Ho iray fijery, iray fitiavana izaho sy Ianao
Indro re ny foko anio, vohaiko idiranao
Foiko manontolo anao izy io, anjakao
Ref : Tsy ny fiadananao ihany re no ilaiko
Tsy fitahiana koa, tsy izany no andrandraiko
Fa Ianao mihitsy : Ray, Zanaka, Fanahy
Ianao manontolo Tompo ô,
Ianao no tiako ho ahy.
Détails du fichier
Titre | Ianao |
Artiste | Fara Andriamamonjy |
Vitesse de transmission | 128 Kbits/s |
Durée | 00:03:54 |
Genre | Gospel |
Format disponible | WMA, MP3 |
Avis
Il n'y pas encore d'avis.