Description
Paroles
Ho aiza moa aho raha tsy ho any Aminao
Ny teny fiainana eo an-tananao
Tsy maintsy ho tonga aho amin’izay tanjonao
Amboary ho tonga amin’ny endrikao
Tsy olana izay mbola handalovako
Izaho mbola am-pelatananao foana
Na tsy ho azoko, f’izay zakako
Volavolao, izay tianao no fotoana
Ka na oviana
Raha nisy fahasimbana
Na teo ny faharavàna
Ianao no fanantenana
(tefeo sy amboary aho)
Ny anarako soraty an-tananao
F’Ianao Ilay Mpanefy
Izaho no tanimanga
Manaiky aho fa ataovy izay tianao
Androany aho dia tsy ho reraka
Hianatra izay ampianarinao ahy
Indray andro any aho ho tanteraka
Hiaraka Aminao, vita ny asanao
Rehefa Ianao mbola eo am-panefena
Hifamatotra izaho sy ianao
Sarobidy aho, manoatra noho ny harena
Eo aho, hifankatia Aminao
Ka na oviana
Raha nisy fahasimbana
Na teo ny faharavàna
Ianao no fanantenana
(tefeo sy amboary aho)
Ny anarako soraty an-tananao
F’Ianao Ilay Mpanefy
Izaho no tanimanga
Manaiky aho fa ataovy izay tianao
Tsy hisy nenina fa ho toa Anao aho
Hahita Anao koa aho, toy ny fahitanao ahy
Tsy hisy hanenenako rehefa tody any aho
Hahalala Anao, hifanatrika Aminao
Contenu du produit
- Type : produit numérique téléchargeable
- Format : Un fichier MP3 + Un fichier WMA + un fichier licence unique
- Qualité : 192 kbps
- Autorisations incluses par l’auteur :
- droit de lecture à titre personnelle et familiale
- aucune limite de téléchargement
- aucune limite de nombre d’ordinateur ou téléphone
Avis
Il n'y pas encore d'avis.