Ilay Izy – Priscilla H.

1 200 Ar

Artiste : Priscilla H.
Album : Mpanefy sy Tanimanga
Genre : Gospel

Catégorie :

Description

Paroles

Zanak’Andriamanitra
Ilay Malalan’ny lanitra
Nanaiky hisolo ahy
Lion’i Joda
Kintan’ny maraina
Ianao nitia ahy

Mahita izao rehetra izao
Eo @ fiandriananao Ianao
Hainao izao rehetra izao
Mahery indrindra
Ny fahafatesana aza
Tsy nahatàna Anao

Raha mbola misy fofon’aina aho
Hilaza ny momba Anao
Izay rehetra momba ahy
Entiko hiderana Anao

Jesosy
Ianao hoy aho Ilay Izy e
Jesosy
Ianao hoy aho no tiako e e e
Jesosy
Malalan’ny foko e
Jesosy
Tsy solosoloiko e

Ekeko hoe tanora aho
F’izay te-haka ny toeranao
Tsy avelako e
Raha ny ao am-poko ao
Ianao no manjaka
Ataoko tamana e

Raha ny fitiavanao
Izay lazain’ny teninao
Azo antoka, tsy miova
Ampy ahy ny fitiavanao
Tsy hitady amin’ny hafa
F’izaho no hanome

Ny foko sy ny saiko hihira ho Anao
Ny fanahiko hankalaza Anao
Miankohoka ny fiainako
Entiko hiderana Anao

Jesosy
Ianao hoy aho Ilay Izy e
Jesosy
Ianao hoy aho no tiako e
Jesosy
Malalan’ny foko e
Jesosy
Tsy solosoloiko e

Ianao ho aho Ilay Izy
Ianao ho aho no tiako

Contenu du produit

  • Type : produit numérique téléchargeable
  • Format : Un fichier MP3 + Un fichier WMA + un fichier licence unique
  • Qualité : 192 kbps
  • Autorisations incluses par l’auteur :
    • droit de lecture à titre personnelle et familiale
    • aucune limite de téléchargement
    • aucune limite de nombre d’ordinateur ou téléphone

Informations complémentaires

Genre musical

Artiste

Album

Format

MP3, WMA

Qualité musicale

192 Kbps

Avis

Il n’y pas encore d’avis.

Soyez le premier à laisser votre avis sur “Ilay Izy – Priscilla H.”

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *