Description
Paroles de Tsara Ianao – Fara Andriamamonjy – Tononkira
Izao fiainako izao, efa napetrako aminao
Dia Ianao Jesoa ilay Mpamonjy
Efa nekeko ho Andriamanitro
Ka izay mitranga amiko, anio rahampitso, rahatrizay
Ekeko fa tendrinao raha mbola Ianao no miahy.
Ref : Ka dera no atolotro ho Anao ry Tompo o !
Fa Tsara Ianao, fa tsara Ianao
Sady mpanao ny tsara koa
Izay mitranga eo aminay, sy avelanao hitranga koa
Dia mahasoa satria tsara Ianao
Sady mpanao ny tsara koa.
Ry olona ô, lazaiko izao
Fa izay mitranga eo aminao,
Raha mbola Jesoa Ilay Mpamonjy no ekenao ho Andriamanitrao
Dia làlana hahatsara anao,
No fiainana ho anao indray
Sy hitondra fiadanana, ety sy ho rahatrizay.
Ref : Ka dera no atolotray ho Anao ry Tompo o !
Fa Tsara Ianao, fa tsara Ianao
Sady mpanao ny tsara koa
Izay mitranga eo aminay, sy avelanao hitranga koa
Dia mahasoa satria tsara Ianao
Sady mpanao ny tsara koa.
Détails du fichier
Titre | Tsara ianao |
Artiste | Fara Andriamamonjy |
Vitesse de transmission | 128 Kbits/s |
Durée | 00:03:12 |
Genre | Gospel |
Format disponible | WMA, MP3 |
Avis
Il n'y pas encore d'avis.