Description
Paroles de Tefeo – Joseph d’Af – Tononkira
Tefeo aho Tompo ô!!
Mba ho fantsom-piderana
Hanandratako ny Voninahitrao
Ho eo amin’izao tontolo izao
Tefeo aho Tompo ô!!
Mba ho fantsom-pamonjena
Hanandratako ny Voninahitrao
Ho Fiderana Anao
Inty aho Tompo,
Ovay aho Tompo
Voatokana ho ahy ny Fanjakanao
Ka ny androko rehetra,
Ho Anao tsisy fetra
Dia hitoetra an-tranonao lalandava,
no handaniko ny hatanorana
Ny foko homeko Anao,
Mba ho Fonenanao, dia ho feno Fanatrehanao
Mba ho tanora mahery, handroso amin-kely
Voatokana hoan’ny Fanjakanao
Ka ny androko rehetra,
Ho Anao tsisy fetra
Dia hitoetra an-tranonao lalandava,
no handaniko ny hatanorana
Ny foko homeko Anao,
Mba ho Fonenanao, dia ho feno Fanatrehanao…
Manitra (client vérifié) (client vérifié)
J’aime