Famaritana
Paroles de Ny vavako – Fara Andriamamonjy – Tononkira
Ny vavako mbola hilaza,
Hihira ilay fitiavanao fa
Na maro aza ireo hira efa mankalaza Anao dia
Mbola mamiko hatrany
Ny hihaino sy handre
Ilay fitiavana tokana an-tany. (2x)
Ref: Fa raha izaho no tokony ho faty
Noho ny otako, noho ny otako dia
Indro Ianao nanolo-tena hijaly
Mba ho soloko, mba ho soloko.
Na mafy aza ny hazo fijaliana,
Natolotrao ny tànanao hofantsihina.
Niaretanao ny fara-fahoriana,
Nahatonga Anao nilaza hoe: “Ray ô, nahoana Ianao no mahafoy ahy?”.
Ny vavako mbola hilaza,
Hihira ilay fitiavanao fa
Na maro aza ireo hira efa mankalaza Anao dia
Mbola mamiko hatrany
Ny hihaino sy handre
Ilay fitiavana tokana an-tany.
Ref: Fa raha izaho no tokony ho faty
Noho ny otako, noho ny otako dia
Indro Ianao nanolo-tena hijaly
Mba ho soloko, mba ho soloko.
Na mafy aza ny hazo fijaliana,
Natolotrao ny tànanao hofantsihina.
Niaretanao ny fara-fahoriana,
Hahatonga ahy handova ilay fiainana,
Fiainana mandrakizay.
Na mafy aza ny hazo fijaliana,
Natolony ny tànany hofantsihina.
Niaretany ny fara-fahoriana,
Hahatonga anao handova ilay fiainana,
Fiainana mandrakizay (2x)
Détails du fichier
Titre | Ny vavako |
Artiste | Fara Andriamamonjy |
Vitesse de transmission | 128 Kbits/s |
Durée | 00:05:44 |
Genre | Gospel |
Format disponible | WMA, MP3 |
Hevitra
There are no reviews yet.