Famaritana
Paroles
Ny fanatrehanao, no fiafenako
Masiaka izao tontolo izao
Ka hihira aho, hanakaiky Anao
Hiditra ao aho, Hankafy Anao
Tsisy afaka hameno ahy raha tsy Ianao
Sy ny fitiavanao
Tsisy ahafa-po ny foko banga
Fa ny fitiavanao
Ho avy aho, hanatona Anao
Izao dieny izao, hitady Anao aho
Hankafy ny fihaonantsika
Sarobidy, tiako Ianao
Ianao no ilaiko
Ianao no tadiaviko
Ianao mahatsara ahy
Ianao mihitsy, Ianao mihitsy
Imason’ny olona aho, mbola hidera Anao
Teo imasony, no maty ho ahy Ianao
Fohaziko ny mozika, entiko hiderana Anao
Ny firenena hahita, ny hankalazako Anao
Ambony sy misandratra, mendrika Ianao
Avo indrindra Ianao
Tsisy azo oharina amin’ny herinao
Tsisy toa Anao
Contenu du produit
- Type : produit numérique téléchargeable
- Format : Un fichier MP3 + Un fichier WMA + un fichier licence unique
- Qualité : 192 kbps
- Autorisations incluses par l’auteur :
- droit de lecture à titre personnelle et familiale
- aucune limite de téléchargement
- aucune limite de nombre d’ordinateur ou téléphone
Hevitra
There are no reviews yet.